Ampefiloha : voahidy tao an-trano novakiany ilay mpangalatra

Tranga tsy dia fahita firy no niseho tetsy Ampefiloa androany tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro. Lehilahy iray no nifanenjehin’ny polisy rehefa voahodidina ny trano izay nidirany ankeriny.

Trano iray tsy nisy olona ity nokasain’ilay lehilahy novakiana ity, araka ny fanazavana nomen’ny Officier de Police Rakotoniaina Tovomamonjy, lehiben’ny PPA Ampefiloha.  Raha vao tafiditra tao amin’ilay trano anefa io mpangalatra io dia nisy nahatsikaritra, ka avy hatrany dia nilaza tamin’ny polisy ao amin’ny  PPA Ampefiloha.

Tonga teny an-toerana ny polisy ary mbola tratra tao amin’ilay trano ilay lehilahy. Naka toerana teny amin’ny terrasse an’ilay trano izy, raha vao nahare ny fahatongavan’ny polisy ary toa niandry an’ireto farany mihitsy. Raha vao niditra anefa ny polisy hisambotra azy, dia torabato sy izay zavatra rehetra voarain’ny tanan’ilay lehilahy no nasetriny izany, toy ny biriky… Naharitraritra ihany vao tena tafiditra tao amin’ilay trano ny polisy, ka afaka nisambotra an’ilay zalahy.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.