Farafangana : olona 4 voatifitra naratra mafy

Nisehoana asan-dahalo naharatrana olona tany Anosinakoho Farafangana  afakomaly. Omby 11 no lasan’ireo jiolahy tamin’izany ary  olona 4 no naratra mafy noho ny tifitra izay nahazo azy ireo.

Ny alin’ny  alatsinainy no niseho ny fanafihana  tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany. Niditra ankeriny tao amin’ity tanàna ity ireo jiolahy ka avy hatrany dia nandrahona ny tompon’ny  omby. Noraofiny avy hatrany ny omby. Nifanehitra tamin’ny andrimasom-pokonolona anefa izy ireo ka avy hatrany dia nitifitra tamin’ny basy vita gasy izay nentin’izy ireo. Olona 4 tamin’ireo fokonolona no naratra tamin’izany. Tsy misy atahorana kosa ny ain’izy ireo. 

Niray hina avy hatrany ny fokonolona sy ny mponina ka nisy ny fanatanterahina fanarahan-dia izay nataon’ny zandary sy ireo  andrimasom-pokonolona. Mitohy ny fikarohana.

Tr

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.