Vontovorona : Mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana

Nahitana trangana tsy fandriam-pahalemana ny teny Vontovorona ny maraina teo. Tokantrano iray no voatafika tao anatin’ny fokontany Antanety faha-2.
Mandry tsy lavo loha ny mponina eny Vontovorona kaominina Alakamisy Fe­noarivo amin’izao fotoana izao. Tokantrano iray ao amin’ny fokontany Antanety faha-II no voatafika vao mangiran-dratsy omaly. Jiolahy nirongo basy sy fitaovana maranitra no niditra an-keriny tao an-trano. Nopoizinin’izy ireo ny alika tao amin’ilay tanàna. No­poiriny ny varavarankely, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo dia nofatorany ny raim-pianakaviana. Noraofin’ireo jiolahy ny fitaovana elektronika rehetra tao amin’ilay tokantrano (fa­hilavitra, lecteurs, fanamafisam-peo, telefonina…) sy ny firavaka samihafa.
Raha ny fanazavana voaray dia sambany no nisy fanafihana mitam-basy toy izao tao amin’ny fokontany Antanety faharoa, Vontovorona. Miantso indrindra ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina.

Vola R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.