67Ha : mitombo isa ny mpivarotra entana tsy ilaina andavanandro

Saika mandeha mivarotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra entana izay mbola tsy  dia ilaina loatra eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, toy ny kojakojan-dakozia, ny friperie, ny kapakapa sy ny lamba maro samy hafa. Toy ny eo amin’ny 67 Ha manamorona ny arabe ampitan’ny Mada Hôtel, dia mitandahatra avokoa  ireo mpivarotra. Ireo mpivarotra rehetra sendra anay, dia nilaza avokoa fa  noho ny tsy fisiana ao an-tokantrano hamelomana ny ankohonana no antony ivoahany ny trano. Ny mpivaro-damba sy ny friperie, dia nanambara fa avadika sakafo avy hatrany  izay lamba kely mba lafony. Mangataka ny mba hijerena ny mikasika azy ireo mpivarotra. Mbola olana goavana sedrain’ny mpivarotra ny fanenjehana ataon’ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Etsy andaniny anefa, dia olana iray hafa ihany koa ny fijanonan’izy ireo ao an-trano sy ny tsy fahafahany miasa mitady vola. 

NONO.R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.