Antsirabe : manjaka ny fanendahana sy ny halabotry

Na Antsirabe Renivohitra, na ny Kaominina manodidina, dia toa lasa andrenesana fitarainana mikasika ny tranga fanendahana indray tato ho ato, raha efa mba nangingina izany teo aloha. Ny harivan’ny alatsinainy teo, tao amin’ny fokontany Vohitrarivo, dia 3 lahy no fantatra fa nanendaka tovolahy iray handeha hody, ka rehefa tsy nahitany vola na zavatra sarobidy azony nalaina teny amin’io tovolahy io, dia nodarohan’izy ireo tsy namelany raha tsy naratra mafy ilay tovolahy. Mbola ahiana ny ainy hatramin’ny omaly nanoratana ny lahatsoratra. Iharan’ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ny eto andrenivohitra Antsirabe, ka dia manao fifindran-tsokina mihazo ny tanàna manodidina indray ireo mpanendaka. Ankoatra izay, dia mitaraina ihany koa ny mponina ao Antsirabe II, fa mirongatra izaitsizy ny halabotry sy ny halatra vokatra eny an-tsaha tato ho ato. Ny vary sy ny katsaka ary ny mangahazo no tena lasibatr’izany, hoy ny filazan’ireo tantsaha. Manao jinja ankatoka mihitsy eny antanimbary ireo mpangalatra. Misy ihany ny fiambenana, saingy toy ny miaraka miari-tory amin’ny mpiambina ireo mpangalatra, ka raha vao lasa mamonjy fodiana amin’ny madiva ho maraina iny ireo mpiambina dia eo no fotoana anararaotan’ireo mpangalatra mangalatra ny voly.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.