Anosibe : Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka amin’ny antsibe

Isan’ireo toerana izay anjakan’ny fanendahana sy ny fandrobana samihafa ny etsy Anosibe-Tsena sy ny manodidina. Mitohy ny hetsika izay ataon’ny Polisy ka ahazoan’izy ireo vokatra hatrany.
Farany teo, dia tra-tehaky ny Polisin’ny boriboritany faha-5 ny telolahy izay mitondra antsibe entiny manendaka. Voalazan’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena fa maro no efa noratrain’izy ireo teny amin’iny toerana iny. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia sendran’ny nahay azy ireto mpanao ratsy ireto.
Tsara ny manamarika fa fiaraha-miasa amin’ireo mpiambina ny tsena no nahazoana ireto mpanendaka mampikaikaika ny mponina eny Anosibe ireto, ary efa maro ny fitarainana azon’ny Polisy mikasika azy ireo.

TR.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.