Ampasampito : Vazaha Frantsay hita faty nihantona tao amin’ny “chambre”

Vazaha frantsay manodidina ny 50 taona no hita faty tao aminà «chambre» tao amin’ny hotely iray tetsy Ampasampito ny alin’ny zoma lasa teo. Nihantona tao aminà efitra nofainy ity teratany vahiny ity no nisy nahita. Fantatra fa mpamafa trano hanao ny asany niditra tao amin’ilay «chambre» no nahita ilay razana, ka avy hatrany dia nampandre ny mpampiasa azy.
Famonoan-tena no niseho tetoraha ny fantatra, satria dia nisy valopy 2 nisy soratra hita tao amin’ilay efitra. Toy izao no voasoratra tao anatin’izany, «mes dernières volontés» sy hoe «à l’attention de la Police Nationale ou de la Gendarmerie de Madagascar» . Ny fahitana ireo soratra ireo no ahiahiana avy hatrany fa namono tena ity vazaha frantsay ity. Tetsy andaniny rehefa nanao fizahana sy fitsirihana ny polisy dia tsy nisy ratra na diana vono teny amin’ny vatany.
Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay anton’ity famonoan-tena ity sy izay mety ho tao ambadik’izany. Efa tapitra ny fetr’andro nipetrahany tao amin’ilay hotely raha ny vaovao voaray . Izy anefa dia sady tsy hita niditra no tsy hita nivoaka ilay toerana mialoha ny nahitana ny razana.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.