Analamanga : ilaina ny fampiharana ny fiarovana amin’ny “coronavirus”

Hevi-diso ny fiheverana fa tsy ilaina intsony ny fiarovana fa efa hita ny fanafody entina iadiana amin’ny valanaretina coronavirus, hoy ny governo­-
ran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nosoritan’ity tomponandraikitra ity fa na dia manomboka resy tosika tsikelikely aza ny coronavirus eto amintsika, dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ihany ny firenena. Nantitranteriny fa ilaina hatrany ny fiarovana sy fanarahana ireo fepetra fiarovana ara-pahasalamana iadiana amin’ny aretina coronavirus. Ao anatin’izany ny fanaovana ny arovava, ny fanajana ny elanelana 1 metatra ary ny fisotroana ny Covid-organics, izay natao hampiakatra ny hery fiarovana ao amin’ny vatana ahafahana mandresy ny Covid-19.
Mikasika ny fanambaran’ny ny Rodoben’ny Mpanohitra hoan’ny Demo­krasia eto Madagasikara (RMDM) ny tokony hano­kafana fanadihadihana mom­ba ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana coronavirus, indrindra momba ilay tambavy CVO, dia nilaza ny governoran’Analamanga fa ao anatin’ny fanarahan-dalàna hatrany no itantanana ny zava-drehetra amin’ny fiatrehana ny coronavirus. Ary ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia tsy mikely soroka mitady hatrany ny hahasoa ny mpiray tanindrazana. Fanamby iraisana ny fiadiana ny valanaretina coronavirus.

Vola R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.