Zaza very : Omby mitady i Mihaja Rakotoarimanga

Tsy hita nanomboka omaly Rakotoarimanga Mihaja, tovolahy 14 taona monina etsy Ankadifotsy. Omaly maraina izy no tazana farany, ary taorian’izay dia tsy nisy nahita azy intsony, araka ny fanazavan’ny ray aman-dreniny . “Tao ambony rihana izahay, ary izy tao ambany rihana ka tampoka teo dia tsy hita izay nalehany”, hoy ny fianakaviana. Tsy hita hatramin’ny omaly nanoratana ny lahatsoratra na dia efa nokarohina tany amin’ireo namany sy ny havany rehetra aza. Fantatra fa manana aretina eo amin’ny hoditra ary mila manao fanafody isan’andro izy. Ho an’ireo izay mahita azy dia iangaviana hiantso ny laharana 0342955154 na 0349477926 na hampandre ny manampahefana akaiky indrindra.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.