Andapa : lehilahy hita faty feno diam-bala

Tranga mampalahelo tany Andapa nandritra ny alahadin’ny Paska teo. Fatin-dehilahy iray no hitan’ny fokonolona tao amin’ny ala fady Marojejy kaominina Ambalamanasy II, Distrikan’Andapa.

Araka ny loharanom-baovao, dia poa-basy no nanaitra ny manodidina. Avy hatrany dia nijery ny zavanisy ny fokonolona sy ny zandary. Akory ny hatairan’izy ireo nahita fatin-dehilahy iray efa nitsirara tao anatin’ilay ala. Rehefa nozahany akaiky, dia tsikaritr’izy ireo fa rotiky ny bala ny vatany.

Tsy nisy nahafantatra ny nikasika io tranga io ny olona. Tsy nisy nahalala ihany koa ny mombamomba ity lehilahy maty voatifitra  ity. Efa eo ampelatanan’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana ny raharaha, ary efa nanomboka ny fikarohana sy ny famotorana.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.