Antaninarenina : raikitra ny fanendahana…

Manao ny ataony ny mpanendaka mandritra ny fotoana mangingina fihibohana, ka mahavitsy ny olona mpandalo amin’ny tolakandro sy ny takariva iny. Olona maromaro no efa velon-taraina, lasibatr’izany, etsy Antaninarenina indrindra indrindra. Tamin’ny alahadin’ny Paska teo dia raim-pianakaviana iray no nosakanan’ireo olona mpirenireny tsy manan-kialofana ary mangataka eny an’arabe. Nikasa hanendaka avy hatrany izy ireo. Tamin’io fotoana io anefa no sendra nandalo teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena ka rava teo ilay fikasan-dratsy.

Manao antso avo, noho izany, ireo mponina sy mpandalo mampiasa iny lalana eny Antaninarenina iny mba hijerena akaiky izao tranga izao.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.