Andoharanofotsy : 15 lahy nanafika tokantrano

Ankoatra ny  resaka Coronavirus, dia anisan’ny mbola mampihorohoro ny mponina ihany koa ankehitriny ny asan-jiolahy samihafa. Teny Andoharanofotsy,  omaly alina, dia tokantrano iray no lasibatra. 15 lahy be izao izy ireo no nanafika io trano io.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no niseho ny fanafihana. Niditra ankeriny  tao amin’ilay trano tao amin’ny  fokontany Morarano Andoharanofotsy izy 15 lahy nirongo basy sy fitaovam-piadiana samihafa.

Nandrahona an’ireo tompotrano avy hatrany izy ireo raha vao tafiditra tao an-trano, norobain’ireo 15 lahy ny fahitalavitra  sy solosaina. Tamin’io fotoana io anefa dia fantatra fa efa niantso ny mpitandro filaminana ny  olona ka haingana dia haingana dia tonga teny an-toerana ny zandary eny Andoharanofotsy ka vaky nandositra ireo mpanao ratsy. Misokatra avy hatrany moa ny famotorana mahakasika an’ity tranga ity.  

TR.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.