Mandritsara : 12 lahy tratra nangalatra soliky ny JIRAMA

Lehilahy 12 no voasambotra noho ny halatra solika tao Mandritsara ny voalohan’ny herinandro lasa teo iny. Raha araka ny fantatra dia an’ny orinasa JIRAMA any an-toerana ireto solika nangalarin’izy ireo ireto.

Taorian’ny halatra litatra maromaro dia nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Vokany : olona 12 no tratra tamin’izany. Nahitana  mpitondra bajaj, mpitondra fiara fitateram-bahoaka tamin’ireo 12 ireo.

Nandritra ny fisavana ny tranon’izy ireo dia hita tao ireo fitaovana fampiasan’izy ireo ka isan’izany ny barika maro maro  ny bidao miaraka amin’ny  fantsona sy hafa. Ankoatra izay dia voalaza fa niaiky ny heloka vitany ireto olon-dratsy nandritra ny fanatanterahina ny fanadihadiana.

Nidina ifotony nijery izao tranga izao moa ny governoran’ny Faritra ny Jeneraly Lylison de René. Tamin’izany no nanambarany fa tahaka ny  manodinkodina volam-panjakana ireo mangalatra solika JIRAMA ireo ka  takiana ny hanagadrana azy ireo araky ny lalana.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.