Anosibe An’ala : jiolahy maty voatifitry ny zandary

Lehilahy iray fantatra fa jiolahy no maty voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Andranomena, Distrikan’Anosibe An’ala ny alarobia lasa teo.

Nisesisesy ny asan-jiolahy any amin’iny Distrika iny tao anatin’ny andro maromaro izao. Tsy vitsy ireo tokatrano iharan’ny fandrobana ataon’ny andian-jiolahy izay efa malaza ratsy.

Nisy ny bemidina nataon’ny mpitandro filaminana. Nandritra ny savorovoro nisy teo amin’ny jiolahy sy ny zandary, dia raikitra ny fifampitifirana. Namaly mantsy ireo mpanao ratsy ka tsy maintsy miaro tena ny zandary. Voatifitra teo amin’ny tanany àry ny raindahiny tamin’ireo andian-jiolahy ireo, ary noho ny ra very be loatra, dia namoy ny ainy ity lehilahy ity.

Mitohy hatrany ny famotorana izay ataon’ny zandary any an-toerana ka karohina amin’izany ireo naman’ity jiolahy maty voatifitra ity.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.