Anosizato : Polisy tratra nanao kolikoly nalefa tamin’ny Facebook

Polisy 3 no tratra nanao kolikoly tetsy Anosizato. Olona mpanao Facebook moa no nahita ny zava-niseho ka avy hatrany dia namoaka izany no sady niantso ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana. Nahitana polisy, izay maka vola amin’ireo mpitondra fiara sy moto, izany sary izany.

Manoloana io trangana kolikoly izay niseho tetsy Anosizato io, dia hentitra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka manameloka tanteraka ny trangana fandikan-dalàna ataon’ireo Polisy izay manitsakitsaka ny fitsipi-pifehezana mifehy ny Polisim-pirenena.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena. Nanokatra fanadihadiana ny IGPN (Inspection Générale de la Police Nationale) hahafahana mandray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’ny lalàna. Tsy hianona amin’ny fanasaziana ireo Polisy ny Minisitera fa hikaroka ihany koa ny mpanome ilay vola, satria ao anatin’ny kolikoly dia misy ny mpanome ary misy ny mpandray, hoy ny fanzavana.

Ny Polisim-pirenena dia mankasitraka ny fanomezam-baovao tamin’ny fahazoana sary ilay tranga tetsy Anosizato ary vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa sy fanatonana hatrany ny vahoaka.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.