RN5 : Fiara nandona nahafaty olona, nitsoaka ny mpamily

Lehilahy iray antsoina hoe Tsiliva, 40 taona, no maty voahitsaky ny fiara Mazda iray tamin’iny lalam-pirenena faha-5 (RN5) iny teo Ambodiafara Kaominina Ampasanimangoro, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny alarobia 15 aprily teo. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina no niseho ny loza. Tamin’io fotoana io, dia nandeha an-tongotra ilay lehilahy, nanaraka sisin’arabe, ary tamin’izay no voafaokan’ilay fiara izy ary maty teo no eo. Voalaza kosa anefa fa nandositra ilay fiara taorian’izay. Nanomboka teo, dia nandeha ny fifandraisana, ka tratra teo amin’ny barazin’ny zandary tao Tampoly ilay mpamily. Nosamborina avy hatrany ary efa notanana. Ny fiarany kosa dia nampidirina fourrière avy hatrany, araka ny loharanom-baovao.

TR.


Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.