Antsiranana : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny FIP

Jiolahy raindahiny iray no maty voatifitry ny polisin’ny Force d’intervention de la police na ny FIP tao amin’ny fokontany Mahatsinjo ao amin’ny tanànan’Antsiranana ny Talata maraina tokony ho tamin’ny 1 ora teo ho eo. Raha ny fantatra dia efa teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy no sendran’ny polisy ka raikitra ny fifampitifirana. Maty lavon’ny polisy tamin’izany ny lehilahy. Tsy nisy naratra kosa ny polisy nanao ny asany.
Fantatra fa jiolahy efa malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity lehilahy ity sy ireo namany tafatsoaka ireo. Ny villa fonenan’ny te­ratany vahiny ao Antsi­ranana no tena lasi­-
batr’ireto mpanao ratsy ireto amin’izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny entana sarobidy tahaka ny vola sy ny écran plat moa no tena kendren’ireo mpanao ratsy ireo. Ny mpiambina matetika no ataon’izy ireo mpiray tsikombakomba aminy ahafahan’izy ireo miditra moramora ao amin’ilay trano, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Tamin’ity indray mitoraka ity anefa noho ny fiaraha-miasa tamin’ny vahoaka sy ny polisy dia tsy nahatanteraka ny asa ratsiny ireto olon-dratsy ka maty voatifitra ny iray tamin’izy ireo, ary ny iray voasambotra, nisy kosa anefa ireo tafaporitsaka ary mbola karohana.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.