Maty zanaka, maty vady Namono tena tamin’ny “courant” ilay raim-pianakaviana

Tranga mampalahelo no niseho tany Mahajanga. Lehilahy iray no hita faty tao an-tranony tao Mahajanga omaly maraina. Raha araka ny fanazavana voaray avy amin’ny olona any an-toerana dia ahiana ho namono tena ity lehilahy ity.
Ny marainan’ny Alarobia no nisy nahita tao an-trano ny vatana mangatsikan’ity lehilahy ity. Voalazan’ny loharanom baovao fa dia nifatopatotra taroby misy herinaratra ny vatany. Nambara ihany koa anefa fa nitazona taroby ny tanany roa, + sy – , izany hoe nohiniana natao ilay izy. Voamarina ihany koa fa herinaratra no nitarika ny fahafatesan’ity raim-pianakaviana ity.
Na izany na tsy izany anefa dia nanokatra fanadihadiana ihany ny mpitandro filaminana any an-toerana hamantarana ny zava-misy marina na hanamarinana na tsia ny famonoana tena.
Tombanana ho antony namonoan’ity lehilahy ity tena ny olana ara-pianakaviana izay nahazo azy. Araka ny loharanom-baovao any an-toearana hatrany mantsy dia voalaza fa nisesy nodimandry ny zanak’ity lehilahy ity sy ny vadiny ka mety ho noho ny alahelo be loatra noho izany no nitarika azy hanao izao fihetsika izao.

Mahiratra.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.