Halatra lavanila : Zanaka mpanolotsainan’ny tanàna nosamborina fanindroany

Lehilahy roa no naiditra am-ponja vonjimaika ny Talata lasa teo noho ny resaka halatra lavanila tany Sambava. Zanaka mpanolontsain’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Amboangibe Maroambihy, Sambava ny iray amin’ireto olona voasambotra ireto.
Efa indroa nosamborina ity tovolahy ity raha ny fantatra. Ny Alakamisy 09 Aprily tokony ho tamin’ny 1ora maraina no fantatra fa tratran’ny mpitandro filaminana tao amin’ny barrage de contrôle Andohanantsahabe ny tovolahy iray niaraka tamin’ny entana hafahafa. Rehefa natao ny fisavana azy dia fantatra fa nahitana lavanila 7 kilao tao aminy.
Avy hatrany dia nanaovana fanadihadiana ity lehilahy ity ka niaiky fa
zanaka mpanolontsaina no mpaniraka azy, hitady lalam-barotra. Taorian’io dia nosamborina ilay voalaza fa mpaniraka ary isan’ny voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ka natolotra ny mpitandro filaminana teto Sambava.
Nandeha anefa ny fanadihadiana ka voalaza fa taorian’izany dia nahazo fahafahana ilay zanaka mpanolontsain’ny tanàna. Nitohy ihany anefa ny famotorana izay nataon’ny fitsarana ka voalaza fa taorian’ny fanadihadiana lalina dia voaporofo ny mahatafiditra azy amin’ity raharaha ity.
Nilatsaka ny didy ka nosamborina fanindroany indray ilay tovolahy ary avy hatrany dia natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha raha araka ny fanazavana vaoray. Niakatra fitsarana ny raharaha ary nahiditra am-ponja vonjimaika izy.

TR.


Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.