Coronavirus : Niampy iray ny olona mitondra ny tsimokaretina

Olona 1 avy ao Toamasina indray no voatily fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ary nampahafantarin’ny Pr Vololontiana Hanta nandritra ny fanambarana nataony androany. Tovolahy 14 taona izy io ary nahazo ny tsimokaretina tamin’ny alalan’ny “cas contact”. Hatreto izany dia mitotaly 111 ny isan’ny olona voan’ny coronavirus eto Madagasikara. Etsy andaniny kosa dia niampy 4 indray ny isan’ireo olona sitrana, ka ny 3 tamin’ireo dia notsaboina tany Toamasina ary ny 1 fahefatra kosa tetsy Anosiala. Mitotaly 33 indray izany ny isan’ny marary sitrana hatramin’izao.

Mbola manamafy ny Pr Vololontiana Hanta fa tokony hajaina hatrany ny fepetra rehetra iadiana amin’ny fiparitahan’ity valanaretina ity. Tokony hanasa tanana matetika hatrany na amin’ny rano sy savony na amin’ny gel hydroalcoolique, tokony hajaina hatrany koa ny elanelana 1 metatra eo amin’ny olona, tokony hanao arovava foana raha tsy maintsy mivoaka ny trano, rehefa mikohaka na mievina dia tampenana amin’ny lanton-tsandry ny vava, ary olona iray ihany no mivoaka ny trano raha misy zavatra tsy maintsy vidiana.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.