Sambava : 4 lahy tratra nanao trafika lavanila

Natolotra ny Fampanoavana ny talata 14 aprily teo ny olona 4 izay tratra nangalatra lavanila maitso sy nikasa hanondrana izany antsokosoko  tao Sambava andro vitsy nialoha io.  Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo.

Manao hetsika manokana ho fiarovana ny seha-pambolena lavanila ny Polisy ao amin’ny DRSP/SAVA. Napetraka àry ny « Barrage » momba izany tao amin’ny Kaominina Ambariomihambana sy Antsahorana. Vokany, lehilahy 4 no tratra niaraka tamina lavanila maitso milanja 24 kilao. Nandritra ny fanadihadiana, dia niaiky izy ireo fa saika hamidy antsokosoko ireo lavanila maitso ireo. Nodorana teo anatrehan’ny manampahefana ao an-toerana moa ireo lavanila maitso ireo.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.