Fanapoizinana ara-tsakafo : zaza 4 taona maty, olona 7 hafa naiditra hopitaly

Zaza iray, 4 taona no maty, olona 7 hafa no naiditra hopitaly. Izany no vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana tamin’ny Alatsinain’ny  Paska teo tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray, dia mayonnaise heverina ho efa simba no fototr’izany. Mayonnaise nohanina niraka tamin’ny pâte no heverina ho nahavoa ireo olona ireo. Ny andro rahateo fetin’ny Paska. Ny harivan’io andro io ihany dia nitranga ny soritr’aretina. Tsy maika anefa izy ireo, fa niandry ny andro ampitso, izany hoe ny talata vao niroso nanatona hopitaly. Ny soritr’aretina anefa efa nihombo, ka dia tsy tana ny ain’ilay zaza 4 taona. Efa tsy misy atahorana kosa ny ain’ireo  olona 7 hafa.

Manoloana io tranga io, dia tonga nijery ireo fianakaviana niharam-boina ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Rahantanirina Lalao sy ny ben’ny tanàna Andriatomanga Mokhtar Salim. Nankahery, nitsapa alahelo ary nitondra fanampiana ho azy ireo ireto olom-boafidy tao Mahajanga.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.