Coronavirus : nitombo 5 indray ny olona voa eto Madagasikara

Nanao tatitra io atoandro io ny Pr Vololontiana Hanta fa nitombo 5 indray ny isan’ny olona voatily ka mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara androany. Tafakatra 93 araka izany, ny totalin’ny olona ahitana io tsimokaretina io eto amintsika. Ankoatra izay, dia olona 4 indray kosa no sitrana, ka tany Toamasina ny olona 3 izay sitrana, ary tetsy Anosiala ny olona 1, izany hoe 11 ny totalin’ny olona sitrana hatreto.

Amin’ireo olona 5 vaovao voatily ireo, dia “cas contact” ny 4 raha “cas importé” kosa ny 1. Ny 2 amin’ireo dia eto Antananarivo, ka lehilahy 49 taona sy vehivavy 62 taona izy ireo. Ny 2 hafa kosa any Analanjirofo, samy lehilahy avokoa 75 taona sy 48 taona. Ary ilay “cas importé” ny iray farany.

Raha esorina izany ireo 11 sitrana, dia 82 sisa ireo mbola mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto amintsika, ka eny amin’ny hopitaly manerana an’i Madagasikara no misy azy ireo, manaraka ny fitsaboana. Mitovy ny paikady itsaboana azy ireo, araka ny nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta. Mifandray isan’andro ireo mpitsabo rehetra misahana ny olona mararin’ny coronavirus manerana an’i Madagasikara.

Mikasika ilay marary sempotra iray izay tsaboina any Toamasina kosa, dia nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta fa efa mihatsara ny fahasalamany ary efa tsy misy atahorana ny ainy.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.