Ankazomanga, Ambohimanarina… : miverina amin’ny fiainany andavanandro ny mponina

Toa zary miverina amin’ny fiainana andavanandrony ny mponina sy ny zavamisy etsy Ankazomanga hatreny Ambohimanarina, na eo amin’ny lafin’ny fifamoivoizana izany, na eo amin’ny tsena, na dia mbola manankery aza ny baiko fihibohana. Mifanaretsaka ny mpiantsena ary tsy misy manaja ilay elanelana 1 metatra velively ny olona. Na ny mpivarotra, na ny mpiantsena moa dia samy nilaza mazava fa tsy maintsy mikaroka izay hohanina isan’andro, ka tsy maintsy hanokatra tsena na hivoaka ny trano. Ankoatra izay, dia mitohana izaitsizy ny fifamoivoizana, mitandahatra ny fiara. Maro no manontany tena mikasika ny antony hanapahana ny ampahan-dalana sasantsasany, toy ny eo Ankazomanga hihazo an’Antanimena sy Analakely, ohatra, ka lasa mampitohana ny fifamoivoizan’ny fiara, izay voafetra ho mandritra ny tapak’andro maraina ihany.  

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.