Komity Loharano : disadisa ao amin’ny Fokontany Antohomadinika Afovoany

Na dia efa voafidin’ny fokonolona ao Antohomadinika Afovoany aza ireo olona hitantana ilay rafitra vaovao Komity Loharano eo anivon’ny fokotany Antohomadinika Afovoany, dia tsy nankatoavin’ny Sefo Fokontany ao an-toerana izany. Niteraka savorovoro teo amin’ny Fokontany izany. “Tsy ankatoavin’ny sefo Fokontany ireo olona nosafidian’ny mponina isaky ny secteur misy azy”, araka ny nambaran’ny mponina. Araka ny fanazavana, dia efa naroso teo amin’ny Sefo Fokontany ny  anaran’ireo mpikambana  6 isaky ny  Secteur, araka ny baikon’ny Fitondrana. Rehefa nivory anefa ny mpikambana rehetra izay notarihan’ny sefo Fokontany, dia nosoloin’ny Sefo Fokontany anaran’olon-kafa ny anaran’ny ankamaroany. Teo anatrehan’ny fandavana nataon’ireo olona efa voatendrin’ny fokonolona, dia nanapa-kevitra ny Sefo Fokontany fa aato aloha ny fananganana ny Komity Loharano. Tamin’ity maraina ity dia nifanome fotoana teo amin’ny biraom-pokontany ireo mpikambana efa voafidim-bahoaka sy ny sefo Fokontany, hanohy ny asa, saingy tsy nitranga teo an-toerana intsony ingahy Sefo Fokontany.

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.