Coronavirus : tafakatra 110 no mitondra ny tsimokaretina hatramin’ny anio

Olona 110 no voatily fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanazavana nentin’ny Pr Vololontiana Hanta io atoandro io. Nitombo 2 indray, araka izany, ny voa. Avy eto Antananarivo avokoa ireo olona 2 vaovao ireo, ka ny iray lehilahy avy etsy Antetezana Afovoany, ary ny faharoa kosa vehivavy monina etsy Faravohitra. “Cas contact” avokoa izy roa farany ireo.

Raha izay ny tranga vaovao, dia niampy 6 kosa indray no tena sitrana, izay manome ny isa 29 no totalin’ny olona sitrana ary afaka namonjy ny fodiany. 81 amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, araka izany, no mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly manerana an’i Madagasikara.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.