EMMO NAT : nanolotra fankasitrahana noho ny asa nandritra ny Paska 2020

Nahatsiaro manokana ireo mpitandro filaminana rehetra tsy ankanavaka, polisy sy zandary ary miaramila, ireo mpitarika mandrafitra ny “Etat-Major Mixte Opérationnel National” (EMMO/NAT), ahitana ny Jeneraly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ary ny Contrôleur Général de Police, Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena.

Naneho fankasitrahana feno tamin’ny fandraisan’andraikitra tany anivon’ireo EMMO FAR sy EMMO REG manerana ny Nosy, indrindra ireo niantsehatra tamin’ny asa natao nandritra ny fetin’ny Paska teo, izy ireo.

Nanentana ny tomponandraikitra isan’ambaratongany izy telo mirahalahy mpitarika ireto, mba hampita izany fankasitrahany izany any amin’ireo olom-peheziny rehetra any.

Mamporisika ny mpitandro filaminana rehetra hatrany izy ireo, amin’ny fanatanterahana ny asa ankitsipo sy manaraka ny lalàna velona.

Tsy adinon’ireto mpitarika ny EMMO NAT ireto ny nankasitraka ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka izay nanaiky ny fandaminana nandritra ny fandrindrana.

Tombontsoa iombonana no nojerena, ka hialana tsiny hoy ireo tomponandraikitra ny mety ho fanelingelenana ny fandaharampotoanan’ny tsirairay nandritra iny faran’ny herinandro iny.

Tsy sanatria manaonao foana ny mpitandro filaminana, fa manatanteraka ny tondrozotra nomen’ny Filoham-pirenena mba hiarovana antsika rehetra.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.