Coronavirus : tafakatra 59 ny isan’ny mitondra ny tsimokaretina

Tafakatra 59 ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara hatramin’ny androany mitataovovona, araka ny fitiliana natao teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Nitombo 5 indray izany ny isan’ny olona voa, ka « cas importés » ny 4 ary « cas contact » kosa ny 1.  

Tamin’ireo olona 4 avy any ivelany, dia lehilahy vahiny 74 taona, lehilahy malagasy 74 taona, lehilahy malagasy 64 taona ary vehivavy malagasy 50 taona. Ny olona fahefatra kosa indray dia « cas contact », ka tovovavy malagasy mipetraka eny Isotry izy io.

Amin’ireo 59 voan’ny Coronavirus ireo, dia ny 47 tsy ahitana soritr’aretina velively hatreto. Tsy mbola nisy sitrana kosa aloha hatreto ireo marary, fa miandry fitiliana indray vao ho fantatra ny momba izay.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.