Andranovory Toliara Olona 4 voasambotra avy naka ankeriny zaza bobo

Nisesisesy ny tranga hala-jaza bobo na varira. Taorian’ireo tranga samihafa nampihorin-koditra  tany Toliara faramparany teo, dia niverina indray izany ny alarobia voalohan’ny volana Aprily teo. Olona 4 no tratran’ny zandary, voampanga ho naka ankeriny zaza varira tao Andranovory Toliara  II.

Vokatry ny fiarahamiasan’ny mpitandro filaminana sy ny  vahoaka  no nahafahana nahatratra azy ireto.

Rehefa nojerena akaiky moa ny mahakasika ilay zaza, dia efa tamin’ny alakamisy 27 febroary 2020 no nangalaran’ireto olona ireto io zaza io tany Ankiliabo Manja. Izaa tra-tehaka tao Andranovory izao izy 4 lahy.

Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza ary ho atolotra ny fampanoavana tsy hoe ela. Ilay zaza kosa dia fantatra fa efa  an-dalana ho any Toliara ny ray aman-dreniny haka azy.

Mitohy hatrany ny famotorana ireto olona voasambotra ireto.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.