Mpivarotra amoron-dalana 6000 no hahazo fanampiana ara-tsakafo

Nitohy androany tetsy amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha ny fizarana sakafo ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana  eto an-drenivohitra eo amin’ireo tsena izay sahanin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mpivarotra amoron-dalana miisa 6000 eo amin’ireo 10.000 voasoratra anarana no hotolorana tohana ara-tsakafo amin’ny alalan’ilay “opération Tsinjo” avy amin’ny Fitondram-panjakana mialoha ny 4 aprily izao, hoy i Rija Randrianarisoa, talen’ny Tsena eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.Taorian’ny mpivarotra amoron-dalana tetsy Analakely, dia ireo mpivarotra teny amin’ny Coum sy 67 ha ary Anosy  sy Isotry indray no nisitraka izany androany. Miara-miasa amin’ny  fanatanterahana ny fizarana izany ny Fiadidiana ny Repoblika, ny ministeran’ny Mponina, ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nambaran’ny Talen’ny tsena fa fotoana iray ahafahana ihany koa mahafantatra ny isan’ny mpivarotra amoron-dalana izao hetsika izao.

NONO .R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.