CUA : miato ny fanampiana anio

Mampahafantatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa noho ny antony ara-teknika sy ny fikarakarana ara-pitaovana, dia tsy misy fizarana fanampiana aloha anio 2 Aprily 2020 etsy amin’ny Parvis Analakely.

Noho izany dia tsy azo atao ny mitangorona sy mivorivory manoloana na manodidina ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Ny SMS ofisialy avy any amin’ny CUA ihany, izay ho alefa amin’ireo tokony hahazo izany fanampiana izany, no afaka miantso izay hahazo izany.

Sidonie R.


Imprimer Imprimer  

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.