Talatamaty : olona sahirana 240 no nomena fanampiana

Ho fisorohana ny aretina Coronavirus, dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny Kaominina Talatamaty. Tao ny fanondrahana fanafody tao amin’ny tsena. Eo ihany koa ny fanentanana ireo mponina mba hijanona an-trano.

Ankoatra izay, dia nisy fizarana fanampiana ho an’ny olona sahirana miisa 240. Fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina sy ny orinasa tsy miankina eny an-toerana izy ity. Nahitana vary, menaka ary sakafo isan-karazany ny fanomezana. Ireo olona tena marefo teo amin’ny kaominina no nisitraka izany.

Fangatahan’ireo mponina ao Talatamaty ihany koa ny mba tokony hisian’ny Tsena mora eny an-toerana. Tsy mbola nisitraka izany ny tao Talatamaty, hoy izy ireo.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.