Fifidianana : Ireo vehivavy hifaninana ho ben’ny tanana

Fifidianana : Ireo vehivavy hifaninana ho ben’ny tanana

Mbola ady hevitra be ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena, efa mivonona kosa anefa  ireo kandida ho Ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra. Ny azo marihina : tsy ny lehilahy irery intsony no miady ny toerana fa vonona koa ny andriambavilanitra…

Raha toa ka eo am-pandaniana ny lalana mahakasika an’Antananarivo  ireo solombavambahoaka, dia efa eo am-pihomakomanana ny fifidianana ben’ny tanana izay hatao amin’ny  17 Jolay ho avy izao ireo mpanao politika, raha tsy misy ny fiovana.
Ny vehivavy, dia isan’ireo manomana izany ihany koa. Olona malaza efatra no fantatra fa hirotsaka eto andrenivohitra an-tampon-tanana. Ao anatn’izany i Lalao Ravalomanana. Betsaka ireo mpiara-dia ao amin’ny antoko TIM no miandry ny fanambarana ofisialy an’izany filatsahan-kofidiana izany. Filatsahana izay hamerina indray an’ity antoko ity eo anivon’ny sehatra politika.
Ity antoko ity, dia saika tsy fahombiazana no hitany nandritra ny fifidianana farany teo raha toa ka izy ireo no  maro an’isa tao amin’ny  antenimierampirenena tamin’ny taona 2007.
Isan’ireo tafiditra ao anatin’ity lisitry ny hirotsaka ihany koa i Lalatiana Rakotondrazafy. Manohana an’ity farany ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny Alliance Ambodivona. Misy amin’ireo solombavambahoaka no nilaza fa mety ho isan’ireo kandida ity vehivavy ity.
Isan’ireo eritreretina ho kandida ihany koa i Lalatiana Ravololomanana, izay fototry ny santan’ny mpanohitra, raha araka ny fantatra, omaly. Raha tsy izy anefa, dia fantatra fa tsy maintsy hanana ny kandida ho tohanany ireo mpanohitra amin’ity fifidianana ity.
Fantatra ihany koa fa hsy ny kandida avy amin’ny sehatry ny fandraharahana. Isan’ireo mety ho kandida araka izany i Harilala Ramanantsoa, izay matihanina amin’ny fikarakarana hetsika. Izy no voalaza fa mety ho kandida tohanan’ireo mpandraharaha.
Ankoatra izay, dia isan’ireo kandida efa nanambara ny filatsahany ho fidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanana i Véronique Rajerison. Ity farany izay tsiahivina fa efa kandida solombavambahaka tsy lany tamin’ny farany teo, tao amin’ny boriboritany faha-5.

Tahina R./Marc A.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.