Fihibohana an-trano : mbola mifanaretsaka ny mpiantsena

Miditra amin’ny herinandro faharoa androany ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Anisan’ireo fepetra ny fijanonana any an-trano mba ho fiarovana ny tena sy ny hafa. Raha ny zavatra tsikaritra anefa tamin’ity marainan’ny alatsinainy ity dia toa vao mainka mihamaro ny olona mifanaretsaka eny an-dalana, na ireo fiara mifamezivezy eny an’arabe izany fa indrindra ireo olona mandeha an-tongotra etsy sy eroa. Raha tsy hilaza afa-tsy ny tsena etsy Ambohimanarina. Toa mampivarahontsana ny mahita ireo mpivarotra sy mpiantsena marobe izay mifanjevo ao anaty toerana tsy azo lazaina fa lehibe… “Toy ny andro fety !” hoy ny fanamarihana ataon’ny mpitazana. “Foara be”, hoy kosa ny hafa. Ny elanelana iray metatra isaky ny olona, ny olona iray ihany no miantsena mivoaka ny trano amin’izany, dia samy tsy voahaja avokoa. Ireo zatovolahy mijorojoro sy mihainohaino, araka ny fomba fitenenana, dia tsy lazaina intsony…

Asa… ilaina ho atao mafimafy kokoa va re ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana vao mety hanaraka amin’izay isika, kanefa ny aretina ity toa tsy mitsahatra mihombo sy miparitaka ?…

MR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.