Kitra Ligue des Champions : Mampanao fanazarantena « en ligne » ny mpanazatra

Raha ny tokony ho izy, dia ny 3 Aprily izao no hanatanterahana ny fiodinana faharoan’ny « Ligue des Champions » taranja baolina kitra. Ekipa 12 nozaraina ho vondrona 2 ahitana ekipa 6 avy, mifanintsana any Mahajanga sy Toamasina, no tokony hifanintsana amin’izany. Ahitana ny ekipan’ny MAMA Fc Betsiboka, Five Fc Analamanga, Tsaramandroso Formation Boeny, Zanagasy V7V, Fomela Matsiatra Ambony, ASED Diana any Mahajanga. Ny ekipan’ny USCAFOOT Analamanga, ASMO Anosy, AS Fortior Atsinanana, JFC Atsimo Andrefana, Fc Ambatosoa, JFC Analanjirofo, Disciples Fc Vakinakaratra kosa no any Toamasina. Noho ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina COVID-19 anefa, dia voatery nanemotra ny fifaninanana ny FMF, mpikarakara. Manoloana ny fihibohana amin’izany ady atao izany àry, dia tsy maintsy mitady hevitra hitazonana ny tanjaka ara-batan’ny mpilalaony ny ekipa tsirairay. Misy amin’ireo ekipa ireo moa no manazatra ny mpilalaony « en ligne », na koa mandefa ny fanazarantena tokony hataon’izy ireo amin’ny alalan’ny « Internet ». Sarotra ihany anefa ny fanaraha-maso amin’ny fanatanterahan’ireo mpilalao na tsia izany entimody omena ny mpilalao izany ho an’ny mpanazatra. Izany indrindra no hanaovan’izy ireo fangatahana amin’ny Federasiona amin’ny tokony hanomezana fotoana lavalava hanaovana fanomanana, mialoha ny hiverenan’ny fifaninanana « Ligue des Champions », rehefa vita ny ady atao amin’ny COVID-19.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.