Vaovao avy amin’ny Faritra

Saika ireo Distrika rehetra manerana ny Nosy no efa mandray ny fepetra manoloana ny fivoaran’ny valanaretina Coronavirus. Na dia tsy mbola tonga any amin’ireo Faritra ireo aza ny aretina, dia efa maro ireo mpivarotra izay efa mampiakatra sahady ny vidin’entana.


**Taolagnaro: tafapetraka ireo toerana fanasana tanana amin’ny savony any amin’ireo toerana be olona mifamezivezy ao an-tampon-tanàna. Nisy ihany koa ny fotoam-pivavahana izay niarahan’ireo mpitarika ao amin’ny FFKM ka nalefa tamin’ireo onjampeo miara-manonja tany an-toerana. Na dia tsy mbola tonga any amin’ity distrika ity aza ny Coronavirus, dia mihavitsy ireo olona eny an-dalambe

 ** Ankazobe: Tsy ny Coronavirus no manjaka any amin’ity Distrika ity fa ny aretina tazomoka. Nitombo ny isan’ireo olona voan’izany tato anatin’ny andro maromaro. Tranga izay nitarika hevi-dratsy ho an’olona sasany izay manararaotra mivarotra fanafody ho an’ireo marary. Fanafody tsy mifandraika amin’ny aretina akory anefa no misy mivarotra, ka nahatonga ireo manampahefana handray andraikitra ka ho hentitra sy hanaramaso akaiky ny zava-misy.

**Antsalova: Manararaotra mafy ireo mpivarotra satria dia tafakatra hatrany amin’ny 800 Ariary ny kapoakan’ny vary any an-toerana. Torak’izay ihany koa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro hafa. Nidina ifotony nijery ny zavamisy ireo tomponandraikitra ka nanery ireo mpivarotra hamerina amin’ny laoniny ny vidin’izany kapoakam-bary izany.

** Vavatenina: Taorian’ny fivoriana nataon’ireo kaoperativam-pitaterana dia tapaka fa najanona nanomboka androany ny fitaterana olona mampitohy an’I Vavatenina amin’i Soanierana Ivongo. Ny Fifandraisana teo amin’ity Distrika ity sy i Toamasina moa dia efa tapaka tamin’ny herinandro lasa iny.

Nangonin’I MR

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.