Fisotroan-dronono : misy ny fandaminana vaovao

Hanomboka rahampitso zoma 17 Aprily 2020 ny fizarana ny fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eto amintsika. Noho ny fisian’ny valanaretina Coronavirus, dia misy ny fandaminana vaovao napetraky ny Tahirim-bolam-panjakana, ka eny amin’ny PGA, RGA, TG, PP, TMINFOP, TMA, TPIC no handraisana izany. Toy izao ny daty handraisana ny pension :

-Ny laharana pension miafara amin’ny 0 sy 1: Zoma 17 Aprily 2020

– Ny laharana pension miafara amin’ny 2 sy 3: Alatsinainy 20 Aprily

-Ny laharana pension miafara amin’ny 4 sy 5: Talata 21 Aprily

-Ny laharana pension miafara amin’ny 6 sy 7: Alarobia 22 Aprily

-Ny laharana pension miafara amin’ny 8 sy 9: Alakamisy 23 Aprily

-Ny laharana pension miafara amin’ny “A”: Zoma 24 Aprily

-Ny laharana pension miafara amin’ny “B” sy “C”: Alatsinainy 27 Aprily

– Ho an’ireo tara sy ireo mitondra “procuration” : manomboka ny Talata 28 Aprily 2020

Ho an’ireo pension izay raisina amin’ny alalan’ny “virement bancaire” dia azonao atao ny manatitra ny taratasy fanamarinam-pahavelomana na “Certificat de vie” manomboka izao eny amin’ny toerana mahazatra anao.

Ireo mpandray ny “pension de veuvage” na mananontena ka manana laharana pension miatomboka amin’ny « 1A-2A-9A » ao amin’ny Recette Générale d’Antananarivo na RGA eo Antaninarenina kosa, dia handray ny fisotroan-drononony eny amin’ny Paierie Générale Annexe Isoraka.

R.Sidonie

Imprimer Imprimer  

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.