Solidarité Syndicale de Madagascar : « misy goragora sy tsy firaharahiana ireo fepetra »

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Firaisankinan’ny Sendika  eto Madagasikara na « Solidarité Syndicale de Madagascar » (SSM) eo anatrehan’ny fisian’ny mpiasan’ny Fahasalamana voan’ny aretina Coronavirus teo am-perinasa. « Misy goragora sy tsy dia firaharahiana ireo fepetra eny amin’ny toeram-pitsaboana maro », hoy ny fanambarana nataon’ny sendika, manao fanairana.

Takian’izy ireo, noho izany, ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana tanteraka ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo olona roa mpiasan’ny Fahasalamana ireo mandram-pahasitrany. Takian’ny SSM toy izany koa ny hanomezan’ny Fanjakana fanampiana mahavelona ny vady aman-janak’ireo mpiasa marary ireo noho ny fanatanterahany ny asany.

Momba ny fiatrehana ny asa ho an’ny mpiasan’ny Fahasalamana, dia manamafy ny fangatahana ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana ny SSM amin’ny fanatanterahana ireto fepetra telo tsy maintsy arahana ho an’ny mpiasan’ny Fahasalamana ireto, dia ny fanomezana fitaovana ampy, sy fampiofanana ary ny famporisihana na « motivation ».

Farany, dia takian’ny SSM ny hametrahan’ny Fanjakana ho lohalaharana ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny mpiasan’ny Fahasalamana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 ary ny hametrahana ho laharam-pahamehana voalohany ny fanajana ireo fepetra telo takiana hiatrehany ny asany.

Nangonin’i F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.