Lehilahy natelin’ny rano : Herinandro vao hita faty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomamy tany amin’ny reniranon’i Maningory any Fénérive Atsinanana ny sabotsy 18 Aprily lasa teo. Olona 3 no nandeha lakana. Avotra soamantsara ny 2. Namoy ny ainy kosa ny lehilehy iray, 35 taona. Herinandro taty aoriana vao hita ny razana, hoy ny loharanom-baovao any Toamasina.
Olona 3 no nentin’ny lakana, dia ny mpanamory sy vehivavy iray ary lehilahy niaraka tamin’ny moto-ny. Tsy fantatra mazava izay fisehon’ny loza naharendrika ilay lakana, hoy ny fanazavana. Nanao fanairana an’ireo fokontany manodidina avy hatrany ny tomponandraikitra raha vao nitranga ny loza mba hikarohana ny fatin’ilay lehilahy.
Ny sabotsy 25 aprily lasa teo vao nahazo antso ny manampahefana sy ny fianakaviana, fa nisy faty hitan’ny fokonolona tany amin’ny 35 kilaometatra niala ny toerana nitrangan’ny loza. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa ilay lehilahy anisan’ny rendrika tamin’ny lakana io hita faty io.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.