Paositra any Tsivory : Vola 50 tapitrisa Ariary very

Vola be, mahatratra 50 tapitrisa ariary no very tao amin’ny Paositra Tsivory any amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo ny alahady lasa teo. Tao an-tranon’ny “receveur” no nanjavonan’izany vola be izany.
Araka ny vaovao voaray dia saika atao “versement” any Taolagnaro ireo vola ireo, ka efa navoakan’ilay tomponandraikitra tao anaty “coffre”. Nafindrany tao anaty gony izany, ary nampiriminy tao ambany fandriana. Ny andro moa alahady, ka lasa nivavaka ilay “receveur”, saingy nony tafaverina tao an-trano izy dia efa tsy tao intsony ireo vola. Ny tranony anefa dia tsy nisy vaky na nopoirina, izay nahavariana ihany. Ity tomponandraikitra ity dia ao amin’ny Paositra ihany no misy ny trano fonenany.
Teo anatrehan’ity zava-niseho ity, dia teo noho eo fa tsy niandry ela dia nanatona sy nampandre ny mpitandro filaminana ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Paositra any Tsivory ity.
Efa noraisin’izy ireo an-tanana ny raharaha, ary efa nisokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana, indrindra ny fikarohana izay olon-dratsy nangalatra ireo vola.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.