Maître Kira Michel : nahazo vatsy tany amin’ny Kaominina Andoharanofotsy sy ny Ligin’Analamanga

Ny 7 Aprily lasa teo no nankalaza ny faha-70 taonany i Kira Michel, izay anisan’ny mpilalao baolina kitra Malagasy nanana ny lazany tany amin’ny taona 70 sy 80. Noho ny fihibohana ataony sy ny fianakaviany amin’ny ady atao amin’ny valanaretina COVID-19 àry, dia tonga nanolotra vatsy ho azy teny amin’ny tranony teny Fiadanamanga Iavoloha, omaly atoandro ny ben’ny tanànan’Andoharanofotsy Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta sy ny mpiara-miasa aminy. Rariny loatra ihany koa izao famatsiana izao, satria efa tafiditra ao anatin’ny taonan’ireo zokiolona tokony hianoka ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana i Maître Kira. Tamin’izany no nanolorana an’i Maître Kira vary, menaka, voamaina, savony, siramamy. Ankoatra izay, amin’ny maha filohan’ny Ligin’Analamanga taranja baolina kitra an’i Tôta, dia nanolotra gisa ho an’ity kintan’ny baolina kitra fahiny ity ihany koa ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Nilaza moa Rakotoarimanana Henintsoa, fa amin’ny vanim-potoana sarotra tahaka izao no anehoana ny tsy fanadinoana ny olona nahavita be tahakan-dry Maître Kira Michel. Tao anaty hafaliana tanteraka kosa no nandraisan’ny fianakavian’I Maître Kira izany fanomezana izany. Ity ray aman-drenin’ny baolina kitra ity izay velom-pisaorana ny Kaominina Andoharanofotsy sy ny ligin’Analamanga tamin’ny tsy nanadinoana ny tenany amin’izao fotoan-tsarotra izao. Maro mantsy hoy izy ny nampanantena hanohana sy hamatsy azy, fa toa nijanona ho resabe fotsiny izany.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.