Hentitra ny fanaraha-maso ny fanaovana arovava eny Anosizato

Taorian’ny namoahan’ny Prefektioran’Analamanga naoty amin’ny tsy maintsy hanaovan’ny olom-pirenena rehetra arovava na “cache bouche” mba hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19, dia mbola maro no tsy nanaraka sy tsy manatantateraka izany. Manoloana izany indrindra, dia nisy ny fandraisan’andraikitra ataon’ny Zandarimariam-pirenena eny Anosizato. Mametraka sakana eo amin’ny tetezana tokoa mantsy izy ireo hisavana sy hampianarana ny olona hanao arovava. Samy voasakana sy voatily avokoa na ny mpandeha an-tongotra, na ny mpitondra fiara, mpitondra moto sy bisikileta, mpitondra sarety, amin’izany fampiarana ny tsy maintsy hanaovana “cache bouche” izany. Asain’izy ireo miverina mitady avokoa ireo izay tsy manao arovava. Soa ihany fa misy mivarotra eny amin’ny manodidina ho an’ireo tsy manara-dalàna. Noho ny fahitana izany fanakana ataon’ireto zandary ireto izany, dia lasa feno mpivarotra arovava eny amin’ny manodidina an’Anosizato. Ny “Cache-bouche” izay amidy 1000 Ariary eny an-toerana. Ankoatra ny fisavana atao amin’ireo tsy manao arovava, dia mitohy ihany koa ny asa ataon’ireo zandary eo amin’ny “Poste Gendarmerie Anosizato” amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eny amin’iny toerana ahitana fitohanana matetika iny.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.