Toamasina : nomena alalana hiasa ny mpitondra tuc-tuc

Niverina nidina an-dalambe indray ny mpitondra tuc-tuc any Toamasina. Mitaraina izy ireo fa sady lany vatsy no tsy afa-miasa, kanefa zara raha ambilom-bazana ny fanampiana azony. Saika niafara tamin’ny fifandonana indray ny raharaha, hoy ny loharanom-baovao any an-toerana, raha tsy nalaky nandray fanapahan-kevitra nandaminana izany ny OMC sy ny Emmo any Toamasina.

Tapaka àry fa novahana ny fandraràna azy ireo hanao ny asany, ka manomboka rahampitso zomà 17 Aprily, dia omena alalana mahazo miasa ny mpitondra tuc-tuc. Ferana ho mpandeha 2 ihany isaky ny mitondra anefa no azon’izy ireo taterina. Vokany, hiakatra avo roa heny ny saran-dalana amin’ity karazam-pitaterana ao Toamasina ity.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.