Mpivarotra enta-madinika : ny mofo sy ny crédits no be mpitady

Satria ny maraina ihany no tokony hisokatra ireo toeram-pivarotana entana madinika, dia saika mihazakazaka mamonjy azy ireny avokoa ny mpanjifa mialoha ny amin’ny 12 ora atoandro. Tsy dia mampiova ny vola miditra sy mivoaka anefa izany, raha ny fanazavana nomen’ny mpivarotra iray na dia hita ihany aza ny fiovana. “Ny mofo isan-karazany, atao fanalana hanohanana na goûter sy ny fahana finday (credits) no tena mpitady. Raha ity farany ity manokana dia ny mpamatsy indray no tsy maharaka”, hoy ny mpivarotra enta-madinika iray.

Nanamafy koa ity mpivarotra iray eny Ambohibao ity fa tsy misy mihitsy ny fiakaran’ny vidin’entana. “Ankoatra ny vary izay niakatra efa ho andro maromaro izao, dia tsy nisy nihetsika ny vidin’entana. Hatreto aloha anefa, ny vary dia tsy mbola ahitana fihenam-bidy”.

Mba ho fiarovana azy sy ireo mpanjifa rehetra ao aminy, dia mampanaja ny elanelana iray metatra hatrany ity toeram-pivarotana ity. Tahaka ny ankamaroan’ny Malagasy ihany koa anefa, dia manantena sy miandrandra mafy ny fiafaran’ny vanim-potoana fihibohana izy, na dia kely finoana ihany aza…

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.