Antananarivo Renivohitra : hosaziana ireo tsy manaja lalàna amin’izao fihibohana izao

Mampahatsiahy ny vahoaka ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa ato anatin’ny 15 andro izay hitohizan’ny fihibohana, dia voarara ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara ary ny moto aorian’ny mitataovovonana, ankoatra ireo nahazo alalana manokana. Tokony hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra, na ao anatin’ny fiara aza. Mihidy avokoa na tsenakely na ny grandes surfaces na ny tsenam-pokontany aorian’ny amin’ny 12 ora atoandro. Tsy azo atao ihany koa ny fivoriana ankalamanjana na fitangoronana an-dalambe na any anaty Tanàna.

Manamafy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa ny fandikàna ireo izay voalaza rehetra ireo dia mitarika fanakatonana vonjimaika ny tsena mandritra ny vanim-potoan’ny fihibohana, ary koa fanagiazana ny entam-barotra, na fisintonana ny taratasy ahafahana mitondra fiara (permis de conduire).

Miantso ny delegen’ny Boriboritany 6 sy ny Tale misahana ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe, ary ireo filoham-pokontany 192 eto Antananarivo ny Kaominina CUA mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.