Orange Madagascar, nanatitra kojakoja ilain’ny hopitaly

Tonga nanatanteraka ny adidiny teny amin’ny CCO Ivato ny orinasa Orange Madagascar tamin’ity maraina ity. Nitondra fitaovana izay mifanaraka indrindra amin’ny ilain’ireo hopitaly miandrakitra ny  Coronavirus ny Orange Madagascar. Ankoatra izay, dia nanolotra vary 10 taonina ihany koa ny Orange Madagascar ho an’ny CCO Ivato. Nandritra ity fotoana ity dia nisaotra  manokana ny ezaka ataon’ireo mpitsabo rehetra manerana an’i Madagasikara  Atoa Tianarivelo  Razafimahefa, minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manentana hatrany ny rehetra ihany koa ny ministra amin’ny fanarahana ny toromarika apetraky ny Fanjakana amin’ity ady amin’ny coronavirus ity .

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.