Vondrona GAMO MADO : nanatitra fitaovana ho an’ny CCO Covid-19

Savony , gel désinfectant 500 tavoahangy,  Solution hydroalcoolique  60 tavoahangy, Eau de Javel  48 tavoahangy , rano Sainto 1000 litatra  miampy fontaines d’eau no natolotry ny Vondrona  Gamo Mado ho an’ny CCO Covid-19 Ivato sy ny ministeran’ny Rano ho fanohanana ny ezaky ny Fanjakana  amin’izao ady amin’ny Coronavirus izao. Made Razafintsalama, Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona  Gamo Mado mihitsy no tonga teny an-toerana nanolotra ireo fitaovana ireo. Nandray izany tetsy amin’ny CCO Ivato kosa ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tianarivelo Razafimahefa izay nankasitraka hatrany ny fanohanan’ireo tsara sitrapo amin’izao ady goavana atrehan’i Madagasikara izao. Araka ny fanazavana nomen’ny mpitantana ny Vondrona Gamo  Mado moa dia ho an’ny CCO Covid-19 manokana  ny antsasany amin’ireo fitaovana ireto, ary natao ho ampiasain’ny ministeran’ny Rano kosa ny antsasany.

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.