Orphelinat Zandarimaria : nahazo tohana avy amin’ny “association AMI” sy ny “Groupe Rapo Atlas”

Vary, menaka, zanaka akoho fakana nofo, mofo, savony ary kojakoja fampiasa  andavanandro, niampy « bon d’achat » 100 000 ariary, ireo ny fanampiana natolotry ny fikambanana AMI sy ny RAPO ATLAS ho an’ireo zaza kamboty beazina etsy amin’ny akanin’ny Zandarimariam-pirenena etsy Arivonimamo ny zoma teo. Izao no natao dia hiatrehan’ireto ankizy ireto ny fahasahiranana iainana amin’izao vanim-potoana izao, ary hanamaivanana ny fandaniana ho an’ireo mpitantana ny akany. Zava-dehibe ho an’ny zandarimariam-pirenena, ary indrindra ireo zaza kamboty, ny fijerena azy manokana tahaka izao, satria dia tsy miaina toy ireo ankizy rehetra eny anivon’ny fiarahamonina eny izy ireo, ka ny hampiainana azy ireo tahaka izany no tanjona. Nankasitraka izao fanolorana izao ny Jeneraly Rakotobe Christian, lefitra faharoa eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, ary nisaotra tamin’ny anaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Komandin’ny Zandarimaria.

Amin’izao fotoana izao, dia efa tafakatra 60 mianadahy ireo ankizy no beazina ao amin’ny akany Zandarimaria ao Arivonimamo. Izy ireo dia zanaka zandary lavo am-perinasa, matin’ireo olon-dratsy tao anaty fifampitifirana. Tanjona ny hahalasa lavitra azy ireo eo amin’ny fiainana, indrindra indrindra ny hananan’izy ireo hoavy mamiratra.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.