Vangaindrano : Zandary mamo, nanapoaka basy tsy nisy antony

Zandary iray miasa ao Ranomena, Distrika Vangaindrano no nidoboka am-ponja vonjimaika ny zoma lasa teo. Nandrahona olon-tsotra tamin’ny basy teny an-tanany izy no sady nanapoaka izany, ka nahavoa tovovavy 18 taona.

Ny 2 aprily lasa teo no nisehoan’izany, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Mamo io zandary io tamin’io fotoana io, ka izany no nitarika ny tsy namehezany ny fihetsiny, ka io izy nisetrasetra io, ary nitarika faharatrana olon-tsotra mihitsy.

Araka ny fanazavana izay voaray, dia mpandeha tao anaty taksiborosy nisakafo hariva tao Ranomena no natonin’ity zandary ity. Tsy araka ny tokony ho izy anefa ny zava-niseho, fa dia norahonany tamin’ny basy poleta teny aminy ireo mpandeha, izay tsy mbola fantatra mazava izay anton’izany. Izy rahateo efa mamo tamin’io fotoana io. Tsy nijanona tamin’izay fandrahonana izay anefa ny raharaha, fa dia io izy nanapoaka tsy nahy ny basy teny aminy io, ka nandratra ny mpandeha iray. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly moa ilay tovovavy, ary tsy nisy natahorana akory ny fahasalamany.

Ny Zandarimaria dia efa manaraka akaiky ity raharaha ity, ary efa mandray ny andraikitra tandrify azy manoloana iny zava-niseho iny. Tsy andeferana ny tranga tahaka izao, hoy ireo tomponandraikitra.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.