Rabekoto Raoul Arizaka : Namoahan’ny Bianco avis de recherche

Taorian’ny fiantsoana in-droa miantoana efa nalefa tany aminy saingy tsy nahitam-baliny, dia namoahan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco filazana fampikarohana i Arizaka Rabekoto Raoul, filohan’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra. Omaly alarobia 26 Febroary 2020 no nivoaka ny “Avis de recherche” mahakasika izany.
Raha iverenana, dia momba ilay vola be aminà miliara nivoaka tamin’ny fomba tsy dia mazava tao amin’ny Tahirim-pirenena ho fiahiana ara-tsôsialy na CNaPS no mahavoasa­rangotra an’Ingahy Arizaka Raoul Rabekoto, izay tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha. Nandritra ny fotoana nitantanany, talohan’ny nahavoafidy azy ho filohan’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra no nisy io tranga io.
Efa in-droa nandefasan’ny Bianco taratasy fiantsoana ity filohan’ny Fe­-
derasiona Malagasy ny baolina kiatra ity. Ny 20 Fe­broary 2020 ny fiantsoana voalohany. Tonga niatrika famotorana ireo olona anankiroa niaraka voarohirohy taminy. Tsy nipoitra kosa Andriamatoa Arizaka Raoul Rabekoto, hoy ny avy ao amin’ny Bianco.
Tamin’ny fotoana nandefasan’ny Bianco ny fiantsoana faharoa no nahafantarana an-gazety fa lasa nivoaka niala an’i Madagasikara ny tenany. Noho izany indrindra no nandraisana fepetra na­moahana ny “Avis de recherché” momba azy.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.